Esther 8:5 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary niteny hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, ireny, izay nosoratany mba handringanana ny Jiosy any amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanao hoe: –Ry andriamanjaka, raha sitrakao sy ataonao ho mety ary raha mba mahazo fitia eo anatrehanao sy tsara eo imasonao aho, dia aoka hisy soratra hanova ireo taratasy voahevitr’i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga. Nosoratan’i Hamàna manko ireny taratasy ireny hampandringana ny Jiosy any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakanao.
Malagasy Bible 1865
ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary niteny hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, ireny, izay nosoratany mba handringanana ny Jiosy any amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’ny mpanjaka.
malagasy