Esther 8:7 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Ahasoerosy mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, sy tamin’i Mordekay jiosy: Indro ny tranon’i Hamana dia efa nomeko an’i Estera; izy dia efa nahantona tamin’ny hazo satria nanatsotra ny tanany hamely ny Jiosy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny amperôra Kserksesa tamin’i Estera mpanjakavavy sy tamin’i Môrdôkay ilay Jiosy: –Indro efa nahantona tamin’ny hazo i Hamàna satria naninji-tanana hamely ny Jiosy; sady ireo fananany koa, ry Estera, efa nomeko anao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Ahasoerosy mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, sy tamin’i Mordekay jiosy: Indro ny tranon’i Hamana dia efa nomeko an’i Estera; izy dia efa nahantona tamin’ny hazo satria nanatsotra ny tanany hamely ny Jiosy.
malagasy