Esther 9:1 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’ny volana faharoa amby folo na ny volana Adara dia tonga ny andro hanatanterahana ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay nantenain’ny fahavalon’ny Jiosy hifehezana azy ireo indrindra; kanjo nivadika ny rasa ka ny Jiosy indray no nandresy izay nankahala azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana faha-12 na volana Adara. Io andro io no natao hampiharana ny teny aman-didin’ny amperôra ary nantenain’ireo fahavalon’ny Jiosy haharesena azy. Kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jiosy indray no naharesy ny mpankahala azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’ny volana faharoa amby folo na ny volana Adara* dia tonga ny andro hanatanterahana ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay nantenain’ny fahavalon’ny Jiosy* hifehezana azy ireo indrindra; kanjo nivadika ny rasa ka ny Jiosy indray no nandresy izay nankahala azy.
malagasy
[Ny naharesen'ny Jiosy ny fahavalony izay nikasa handringana azy] Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),