Esther 9:20 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanoratra ny amin’izany zavatra izany i Mordekay sady nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay tany amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanoratra ny tantaran’izany zava-nitranga izany i Môrdôkay, ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ny faritany isan-tokony, na akaiky na lavitra, manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa.
Malagasy Bible 1865
Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanoratra ny amin’izany zavatra izany i Mordekay sady nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy* rehetra izay tany amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
malagasy
[Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy ny fahalehibiazan'i Mordekay] Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,