Exodus 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanendreny mpifehy izy mba hampahory azy ireo amin’ny fanompoana mafy. Ary nanao tanàna fitahirizana ho an’i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.
Malagasy Bible 1865
Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanendreny mpifehy izy mba hampahory azy ireo amin’ny fanompoana mafy. Ary nanao tanàna fitahirizana ho an’i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
malagasy
Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.