Exodus 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona dia tsy nanatanteraka izay nolazain’ny mpanjakan’i Ejipta taminy fa novelominy ihany ny zazalahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian’ny mpanjakan’i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona.
Malagasy Bible 1865
Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa natahotra an’Andriamanitra ireo mpampivelona dia tsy nanatanteraka izay nolazain’ny mpanjakan’i Ejipta taminy fa novelominy ihany ny zazalahy.
malagasy
Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.