Exodus 1:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso ireo mpampivelona ny mpanjakan’i Ejipta ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no nanao izao ka novelominareo ihany ny zazalahy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampiantsoin’ny mpanjakan’i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: «Nahoana ianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona?
Malagasy Bible 1865
Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso ireo mpampivelona ny mpanjakan’i Ejipta ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no nanao izao ka novelominareo ihany ny zazalahy?
malagasy
Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?