Exodus 1:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ireo mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptiana ny vehivavy hebreo fa matanjaka be izy, koa raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona dia efa teraka sahady izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navalin’ny mpampivelona tamin’i Faraôna: «Tsy mba tahaka ny Ejiptianina anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia efa teraka izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly ireo mpampivelona hoe: –Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.