Exodus 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao, fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony mba hanehoako ireo famantarana izay hataoko eo aminy izao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa any amin’i Faraôna, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon’ny mpanompony Aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao, fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony mba hanehoako ireo famantarana izay hataoko eo aminy izao;
malagasy
[Fahavalo: ny valala] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;