Exodus 10:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao ny amin’ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin’ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tananao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory ambonin’ny tany Ejipta ny tananao hiavian’ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ny tany Ejipta ireny ary hihinana ny zavamaniry amin’ny tany, dia izay rehetra sisan’ny havandra.
malagasy