Exodus 10:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ary NY TOMPO nampandeha rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany nandritra iny andro iny sy nandritra ny alina. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra avy any atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ka nandefa rivotra avy any atsinanana i Iaveh hifofofofo amin’ny tany iny tontolo andro iny, sy iny tontolo alina iny. Nony maraina, indro, tongan’ny rivotra avy any atsinanana ny valala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’i Ejipta ny tehiny, dia nampitsoka rivotra avy any atsinanana nandritra ny andro sy nandritra ny alina tao Ejipta ny TOMPO. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra.
Malagasy Bible 1865
Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ary NY TOMPO nampandeha rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany nandritra iny andro iny sy nandritra ny alina. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra avy any atsinanana.
malagasy