Exodus 10:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon’ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin’ny tany, mbamin’ny voan’ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin’ny hazo sy tamin’ny ahitra any an-tsaha eran’ny tany Ejipta tontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.
Malagasy Bible 1865
Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha.
malagasy