Exodus 10:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary mba hotantaraina ho ren’ny zanakao sy ny zafinao ny nanaovako ny Ejiptiana sy ny amin’ireo famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hotantarainao amin’ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin’izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary mba hotantaraina ho ren’ny zanakao sy ny zafinao ny nanaovako ny Ejiptiana sy ny amin’ireo famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
malagasy
ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.