Exodus 10:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao mba hampisy haizina ao amin’ny tany Ejipta, dia haizina azo tsapain-tanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hisian’ny haizim-pito amin’ny tany Ejipta, sady haizina azo tsapain-tanana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao hisian’ny haizina manerana an’i Ejipta, dia haizina mikitroka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao mba hampisy haizina ao amin’ny tany Ejipta, dia haizina azo tsapain-tanana.
malagasy
[Fahasivy: ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.