Exodus 10:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nampaka an’i Môizy i Faraôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo, manompoa an’i Iaveh, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nampiantso an’i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: –Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman’osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto.
Malagasy Bible 1865
Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
malagasy