Exodus 10:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny omby aman’ondrinay dia hoentinay hiaraka aminay koa; tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hakanay hanompoana NY TOMPO Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay hoentinay hanompoana NY TOMPO mandra-pahatonganay any.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin’ireo no hangalanay hoenti-manompo an’i Iaveh Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an’i Iaveh, raha tsy efa tonga any.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra izany, hoentinay koa ny andiam-biby fiompinay, ka tsy hisy bibinay havela na iray aza. Tsy maintsy hakanay hatao fanatitra ho an’ny TOMPO Andriamanitray koa mantsy ireo; nefa tsy fantatray hoe iza amin’ireo no hataonay fanatitra, raha tsy efa tonga any an-toerana.
Malagasy Bible 1865
ary ny omby aman'ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny omby aman’ondrinay dia hoentinay hiaraka aminay koa; tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hakanay hanompoana NY TOMPO Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay hoentinay hanompoana NY TOMPO mandra-pahatonganay any.
malagasy