Exodus 10:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanao taminy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia manontany anao hoe: «Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko!
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
malagasy