Exodus 10:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Ejiptiana rehetra ireny. Tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao ny toy izany hatrizay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy tranon’ny mpanomponao, ary ny an’ny Ejiptianina rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tetỳ ambonin’ny tany, ka mandrak’ankehitriny.» Dia lasa Môizy, ka niala teo amin’i Faraôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho feno valala ny lapanao sy ny tranon’ny mpanomponao mbamin’ny an’ny Ejiptianina rehetra. Loza tsy mbola fahita ny toy izany hatramin’ny andron’ny razanao ka mandraka androany». Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ka lasa.
Malagasy Bible 1865
dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany tetỳ ambonin'ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin'i Farao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hameno ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ny Ejiptiana rehetra ireny. Tsy mbola hitan’ny rainao na ny raibenao ny toy izany hatrizay andro niainany tetỳ ambonin’ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’i Farao.
malagasy