Exodus 10:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanompon’i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? Avelao handeha ireo olona ireo mba hanompo NY TOMPO Andriamaniny. Tsy mbola fantatrao va fa efa levona i Ejipta?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny mpanompon’i Faraôna taminy: «Mandra-pahoviana no ho fandrika ho antsika ralehilahy iny? Alefaso handeha ireo olona ireo, hanompoany an’i Iaveh Andriamaniny. Tsy mbola hitanao ve fa efa ho levona ity i Ejipta?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ireo mpanompony tamin’ny Farao: –Mandra-pahoviana moa no mbola hamandrika antsika ilehiny? Alefaso handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO Andriamaniny any ny lehilahy israelita: Mbola tsy fantatrao ihany ve fa simba i Ejipta?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?