Exodus 10:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Mosesy: Hoentinay handeha miaraka aminay ny tanora sy ny antitra eo aminay, ary handeha miaraka aminay koa ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy sy ny ondry aman’osinay ary ny ombinay; fa andro firavoravoanay ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navalin’i Môizy: «Hankany avokoa izahay omban’ny ankizy sy ny anti-dahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an’i Iaveh izany ho anay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Mosesy hoe: –Izahay rehetra no handeha, na antitra na tanora, na lahy na vavy, miaraka amin’ny ondry aman’osy ary ny ombinay, satria hanao fety ho an’ny TOMPO izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman'osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Mosesy: Hoentinay handeha miaraka aminay ny tanora sy ny antitra eo aminay, ary handeha miaraka aminay koa ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy sy ny ondry aman’osinay ary ny ombinay; fa andro firavoravoanay ho an’NY TOMPO izany.
malagasy