Exodus 11:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mbola hahatonga loza iray amin’i Farao sy i Ejipta koa Aho. Aorianan’izany dia hamela anareo handeha hiala eto izy. Rehefa mamela anareo rehetra handeha izy dia ho may handroaka anareo hiala etỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Loza iray sisa hamelezako an’i Faraôna sy i Ejipta, fa rehefa afaka izany, dia halefany hiala atỳ ianareo; ary rehefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza ianareo hiala atỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian’izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mbola hahatonga loza iray amin’i Farao sy i Ejipta koa Aho. Aorianan’izany dia hamela anareo handeha hiala eto izy. Rehefa mamela anareo rehetra handeha izy dia ho may handroaka anareo hiala etỳ.
malagasy
[Filazana ny hihavian'ny loza fahafolo] Fa Jehovah nilaza tamin'i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin'i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.