Exodus 11:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao ireo famantarana rehetra ireo teo amin’i Farao i Mosesy sy i Arona; ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha hiala tamin’ny taniny ihany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao ireo famantarana rehetra ireo teo amin’i Farao i Mosesy sy i Arona; ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha hiala tamin’ny taniny ihany izy.
malagasy
Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.