Exodus 11:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny matoan’i Farao izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny matoan’ny mpanompovaviny izay eo anilan’ny fikosoham-bary ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ho faty ny lahy matoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’i Faraôna mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahy matoan’ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin’ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, manomboka amin’ny lahimatoanao Farao izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy mpanodina ny fikosoham-bary ary ny lahimatoan’ny biby fiompy rehetra.
Malagasy Bible 1865
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny matoan’i Farao izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny matoan’ny mpanompovaviny izay eo anilan’ny fikosoham-bary ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
malagasy