Exodus 11:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa tsy hisy na dia amboa iray aza hanetsika ny lelany amin’ny Zanak’Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby, mba ho fantatrareo ny tsy fampitovian’NY TOMPO ny Ejiptiana sy ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa eo amin’ny zanak’i Israely rehetra kosa, tsy mba hisy hanetsika ny lelany, na olona na biby, na dia alika iray aza, mba hahafantaranao izay mahasamihafa ny iheveran’i Iaveh an’i Ejipta sy an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ao amin’ny Israelita rehetra kosa dia tsy handrenesana na inona na inona, na dia ny vovòn’alika amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy aza. Izay no hahafantaranareo fa Izaho TOMPO dia manavaka ny Ejiptianina amin’ny Israelita».
Malagasy Bible 1865
Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa tsy hisy na dia amboa iray aza hanetsika ny lelany amin’ny Zanak’Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby, mba ho fantatrareo ny tsy fampitovian’NY TOMPO ny Ejiptiana sy ny Israely.
malagasy
Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.