Exodus 11:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hiteny hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao. Ary aorianan’izany dia handeha aho. Dia niala teo amin’i Farao tamin’ny fahatezerana mirehitra i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, ianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa Aho vao handeha.» Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan’i Môizy avy ao amin’i Faraôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ireto mpanomponao ireo dia ho avy hiankohoka eo anatrehako sady hiteny hoe: «Mandehana any ianao sy ny vahoakanao!» Dia handeha miaraka amin’izay aho. Dia niala tao amin’ny Farao i Mosesy sady feno hatezerana.
Malagasy Bible 1865
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hiteny hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao. Ary aorianan’izany dia handeha aho. Dia niala teo amin’i Farao tamin’ny fahatezerana mirehitra i Mosesy.
malagasy