Exodus 12:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.
Malagasy Bible 1865
Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.
malagasy
Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.