Exodus 12:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana an’i Iaveh, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.
Malagasy Bible 1865
Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.
malagasy