Exodus 12:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza no hihinana mofo misy masirasira manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho eo amin’ny Israely izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.
Malagasy Bible 1865
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza no hihinana mofo misy masirasira manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho eo amin’ny Israely izy.
malagasy