Exodus 12:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary amin’ny andro fahafito koa dia hisy fivoriana masina. Tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ireo andro ireo, afa-tsy izay hohanin’ny olona tsirairay, dia izany ihany no hamboarinareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary amin’ny andro fahafito koa dia hisy fivoriana masina. Tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ireo andro ireo, afa-tsy izay hohanin’ny olona tsirairay, dia izany ihany no hamboarinareo.
malagasy