Exodus 12:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa tamin’izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; koa hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ho lalàna maharitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hotandremanareo ny azima, fa izany no andro namoahako ny ankohonanareo, tamin’ny tany Ejipta. Ka hotandremanareo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany andro izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa tamin’izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; koa hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ho lalàna maharitra.
malagasy