Exodus 12:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia makà hisopa iray fihina ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly, ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia ahosory amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa. Aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-paharain’ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia makà hisopa iray fihina, atsobohy ao anatin’ny ra eo amin’ny lovia, ka tenteno amin’ny ra ao anatin’ny lovia ny tatao sy ny tolàm-baravarana roa. Aza misy mivoaka ny trano ianareo mandra-pahamarain’ny andro;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Makà rantsana hisôpa iray fihina ka atsobohy ao amin’ny ran’ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan’ny andro.
Malagasy Bible 1865
Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia makà hisopa* iray fihina ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly, ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia ahosory amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa. Aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-paharain’ny andro.
malagasy