Exodus 12:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paska an’NY TOMPO, izay nandalo fotsiny ny tranon’ny Zanak’Israely tany Ejipta; raha namely ny Ejiptiana Izy dia namonjy ny tao an-tranontsika kosa. Dia niankohoka tamin’ny tany ny olona ka nivavaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hovalinareo hoe: Izao no soron’ny Paka, fankalazana an’i Iaveh, fa nolalovany fotsiny ny tranon’ny zanak’i Israely tany Ejipta, fony namely an’i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hovalianareo hoe: « Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.» Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paska an’NY TOMPO, izay nandalo fotsiny ny tranon’ny Zanak’Israely tany Ejipta; raha namely ny Ejiptiana Izy dia namonjy ny tao an-tranontsika kosa. Dia niankohoka tamin’ny tany ny olona ka nivavaka.
malagasy