Exodus 12:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta NY TOMPO, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Nony nisasaka ny alina dia novonoin’i Iaveh avokoa ny lahimatoa tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Faraôna mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta NY TOMPO, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
malagasy