Exodus 12:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena ianareo amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka haka zanak’ondry na zanak’osy iray avy ny isam-pianakaviana, zanak’ondry iray avy isan-trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra ataovy hoe: Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity, samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isam-pianakaviana, zanak’ondry iray isan-trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana.
Malagasy Bible 1865
Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena ianareo amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka haka zanak’ondry na zanak’osy iray avy ny isam-pianakaviana, zanak’ondry iray avy isan-trano.
malagasy