Exodus 12:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona izy tamin’iny mbola alina iny ka niteny hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’Israely ary mandehana ka manompoa NY TOMPO araka ny nolazainareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola alina dia nampaka an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny zanak’i Israely; mandehana manompo an’i Iaveh araka ny voalazanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tamin’io alina io ihany dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mandehana, mialà eto amin’ny taniko ianareo sy ny Israelita. Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO araka izay efa nangatahinareo.
Malagasy Bible 1865
Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona izy tamin’iny mbola alina iny ka niteny hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’Israely ary mandehana ka manompoa NY TOMPO araka ny nolazainareo.
malagasy