Exodus 12:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentin’ny olona ny kobany efa voalena, raha tsy mbola tonga masirasira, sy ny vilany famolavolana koba, voafehy tamin’ny lambany teny an-tsorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola tsy voaisy lalivay akory ny koban’ny olona dia nentiny; ny sobika no nofonosiny tao anaty kapaotiny dia niantsorohiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia nentin’ny Israelita ny kobany efa voalona mbola tsy nisy leviora akory, ary nofonosiny lamba ny tavy mofo ka nataony an-tsoroka.
Malagasy Bible 1865
Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentin’ny olona ny kobany efa voalena, raha tsy mbola tonga masirasira, sy ny vilany famolavolana koba, voafehy tamin’ny lambany teny an-tsorony.
malagasy
Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.