Exodus 12:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy arakaraka ny isan’ny olona, fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin’ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan’ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin’ny tsirairay.
Malagasy Bible 1865
ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry.
malagasy