Exodus 12:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Alina niaretan-tory ho an’i Iaveh ilay alina namoahany azy avy tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an’i Iaveh, ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
malagasy