Exodus 12:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mivahiny eo aminao ka mba te hitandrina ny Paska an’NY TOMPO dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan’i Iaveh, dia hoforàna avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin’ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mivahiny eo aminao ka mba te hitandrina ny Paska an’NY TOMPO dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana azy.
malagasy