Exodus 13:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy ka hiteny hoe: Inona no anton’izao? Dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.
Malagasy Bible 1865
Ary raha hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton'izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy ka hiteny hoe: Inona no anton’izao? Dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana;
malagasy