Exodus 13:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary satria nanamafy ny fony i Farao ka tsy namela antsika handeha dia novonoin’NY TOMPO ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby. Koa izany no anaterako ho an’NY TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako kosa dia soloiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa rehefa nikiry tsy nety nandefa anay i Faraôna dia novonoin’i Iaveh ny lahy matoa rehetra tamin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’ny olona, ka hatramin’ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin’i Iaveh sy hanavotako ny lahy matoa rehetra amin’ny zanako lahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»
Malagasy Bible 1865
ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary satria nanamafy ny fony i Farao ka tsy namela antsika handeha dia novonoin’NY TOMPO ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby. Koa izany no anaterako ho an’NY TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako kosa dia soloiko.
malagasy