Exodus 13:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho famantarana eo amin’ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh antsika tany Ejipta.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo sorona ireo dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro anareo fa ny TOMPO no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.
Malagasy Bible 1865
Ary ho famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho famantarana eo amin’ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta.
malagasy
Ary ho famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.