Exodus 13:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nalefan’i Farao ny olona dia tsy mba noentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy na dia akaiky aza any; fa hoy Andriamanitra: Sao hanenina ny olona raha mahita ady ka hiverina any Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nalefan’i Faraôna nandeha ny vahoaka, dia tsy nentin’Andriamanitra hihazo ny lalana amin’ny tanin’ny Filistinina, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: «Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nalefan’ny Farao ny Israelita, dia tsy notarihin’Andriamanitra lalana hankany amin’ny tanin’ny Filistinina na dia akaiky aza io. Nanahy mantsy Andriamanitra fandrao hatahotra ny hahita ady ny vahoaka ka hiova hevitra, ary hiverina any Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny lalana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nalefan’i Farao ny olona dia tsy mba noentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy na dia akaiky aza any; fa hoy Andriamanitra: Sao hanenina ny olona raha mahita ady ka hiverina any Ejipta.
malagasy
[Ny lalana nitondran'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasina Mena] Ary rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny lalana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.