Exodus 13:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nentin’Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny lalan’ny efitra mankany amin’ny Ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta.
malagasy
Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta.