Exodus 13:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nentin’i Môizy niaraka taminy ny taolam-balon’i Josefa, araka ny nampianianan’i Josefa ny zanak’i Israely hoe: «Hovangian’Andriamanitra ianareo, ka ento lavitra miaraka aminareo hiala atỳ ny taolam-baloko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Mosesy ny taolambalon’i Jôsefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Jôsefa hoe: «Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiàna amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
malagasy