Exodus 13:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nandeha teo alohany tamin’ny andry rahona ny antoandro mba hitari-dalana azy ary tamin’ny andry afo, nony alina, ho fahazavana ho azy mba hahazoany mandeha na andro na alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh nandeha teo alohany amin’ny andry rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary amin’ny andry afo nony alina, mba ho afaka handeha, na andro na alina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nialoha azy ireo ny TOMPO ka andry rahona no nitarihany lalana azy nony antoandro, ary andry afo no nanazavàny azy nony alina, hany ka afaka nandeha andro aman’alina ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nandeha teo alohany tamin’ny andry rahona ny antoandro mba hitari-dalana azy ary tamin’ny andry afo, nony alina, ho fahazavana ho azy mba hahazoany mandeha na andro na alina.
malagasy
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina.Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.