Exodus 13:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana, fa tamin’ny tanana mahery no nitondran’NY TOMPO anareo nivoaka avy tany. Koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana, fa tamin’ny tanana mahery no nitondran’NY TOMPO anareo nivoaka avy tany. Koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
malagasy