Exodus 13:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mitondra anao NY TOMPO ho any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’izao volana izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh anao any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, izay nianianany tamin’ny razanao homeny anao, tany tondra-dronono aman-tantely, dia hataonao izany fomba masina izany, amin’ny volana toy izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.
Malagasy Bible 1865
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin'izao volana izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mitondra anao NY TOMPO ho any amin’ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’izao volana izao.
malagasy