Exodus 13:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mofo tsy misy masirasira no hohanina mandritra ny hafitoana; tsy hisy mofo misy masirasira ao aminao ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao, any amin’ny taninao rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandritra ny hafitoana no hihinanana mofo tsy misy lalivay; tsy hahitana mofo voaisy lalivay ao aminao: tsy hahitana lalivay ao aminao, eran’ny taninao rehetra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandritra io fito andro io dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora ianareo, aoka tsy ho hita eo amin’ny faritaninareo rehetra na ny mofo misy leviora na ny leviora.
Malagasy Bible 1865
Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mofo tsy misy masirasira no hohanina mandritra ny hafitoana; tsy hisy mofo misy masirasira ao aminao ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao, any amin’ny taninao rehetra.
malagasy
Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.