Exodus 14:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Ejipta hoe: Aoka izao fa avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptiana? Fa aleonay manompo ny Ejiptiana toy izay ho faty any an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptianina fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an’efitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».
Malagasy Bible 1865
Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Ejipta hoe: Aoka izao fa avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptiana? Fa aleonay manompo ny Ejiptiana toy izay ho faty any an-tany efitra.
malagasy
Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.